Malgache
por Lyh Raphaelle Andrianiaina
FIEKEM-PINOANA
Izaho mino ny Fiainana Reny mahefa ny zavatra rehetra.
Nanao ny lanitra sy ny tany
Izaho mino ny Olombelona, ny Zanany efa mandroso
Teraka tao anaty fivoarana mivaivay
Mandroso hatrany na dia teo aza ireo Pilaty
Sy ireo mpamorona lalàna mangeja
Mba hamoretana ny Fiainana sy handevenana ny azy.
Nefa mitsangan-ko velona foana Izy
Ary ny olombelona dia nanohy ny diabe nankany amin’ny ampitso.
Izaho mino ny sahan’ny .fanahy
Hery tsiefan’ny tontolo
Izaho mino ny olombelona misandratra mandrakariva
Izaho mino ny fiainana maharitra mandrakizay. Amena.